Revelation of John 21

1Avy eo aho nahita lanitra vaovao sy tany vaovao, fa foana ny lanitra voalohany sy ny tany voalohany, ary tsy nisy intsony ny ranomasina. 2Hitako ilay tanàna masina, Jerosalema vaovao, izay nidina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra, voaomana tahaka ny ampakarina ampihaingoana ho an’ny vadiny.

3Nandre feo mahery avy any amin’ny seza fiandrianana aho manao hoe: “Indro! Eo amin’ny olona ny toeran’ny tabernakelin’Andriamanitra, ary hiaina miaraka amin’izy ireo izy. Ho olony izy ireo, ary Andriamanitra tenany hiaraka amin’izy ireo ary Izy ho Andriamanitr’izy ireo. 4Hamafa ny ranomaso rehetra amin’ny mason’izy ireo Izy, ary tsy hisy fahafatesana intsony, na alahelo, na tomany, na fanaintainana. Efa lasa ireo zavatra teo aloha.

5Ilay iray izay nipetraka teo amin’ny seza fiandrianana niteny hoe: “Indro! Nataoko vaovao ny zavatra rehetra.” Hoy Izy: “Soraty izao satria ireto teny ireto dia mahatoky sy marina.” 6Hoy Izy tamiko hoe: “Efa vita ireo zavatra ireo! Izaho no Alfa sy Omega, ilay fiandohana sy fiafarana. Izay mangetaheta dia homeko ho sotroina maimaim-poana avy amin’ny loharanon’ny fiainana.

7Izay mandresy dia handova ireo zavatra ireo, ary Izaho no ho Andriamaniny, ary izy ho zanako. 8Fa ireo osa, tsy manam-pinoana, maharikoriko, mpamono olona, mpijangajanga, mpanao ody, mpanompo sampy, sy mpandainga, dia any amin’ny farihy mirehitr’afo solifara no toeran’izy ireo. Izany no fahafatesana faharoa.”

9Nanatona ahy ny iray tamin’ireo anjely fito, ilay iray izay nanana ireo lovia fito feno ireo loza fito farany, ary hoy izy hoe: “Avy ety. Ho asehoko anao ilay ampakarina, ilay vadin’ny Zanak’ondry.” 10Avy eo dia noentiny tamin’ny Fanahy tany amin’ny tendrombohitra avo aho ary nasehony ahy ilay Jerosalema tanàna masina midina avy any an-danitra avy amin’Andriamanitra.

11Nanana ny voninahitr’Andriamanitra i Jerosalema, ary ny famirapiratany dia tahaka ny vato soa sarobidy, tahaka ny vato kristalina jaspy madio. 12Nanana rindrina avo lehibe niaraka tamin’ny vavahady roa ambin’ny folo izany, niaraka tamin’ny anjely roa ambin’ny folo teo amin’ireo vavahady. Teo amin’ireo vavahady no voasoratra ny anaran’ireo foko roa ambin’ny folon’ny zanak’Israely. 13Nisy vavahady telo teo antsinanana, vavahady telo teo avaratra, vavahady telo teo atsimo, ary vavahady telo teo andrefana.

14Nanana fototra roa ambin’ny folo ny rindrin’ilay tanàna, ary teo amin’ireo no nisy ireo anarana roa ambin’ny folon’ny apostolin’ny Zanak’ondry. 15Ilay iray izay niresaka tamiko dia nanana fandrefesana volotara vita tamin’ny volamena mba handrefesana ny tanàna, ireo vavahadiny, ary ny rindriny.

16Miendrika efa-joro ilay tanàna; mitovy ny lavany sy ny sakany. Nandrefy ny tanàna tamin’ilay fandrefesana volotara izy, roa arivo stadio ny halavany (mitovy ny lavany, sakany, ary hahavony). 17Nandrefy ny rindrin’izany koa izy, 114 hakiho raha refin’ny olona (izay refin’ny anjely ihany koa).

18Vita tamin’ny jaspy ilay rindrina ary tamin’ny volamena tsy misy fangarony, tahaka ny fitaratra madio. 19Ny fototr’ilay rindrina dia voaravaka tamin’ireo karazana vato sarobidy rehetra. Ny voalohany dia jaspy, ny faharoa safira, ny fahatelo kalkedona, ny fahefatra emeralda, 20ny fahadimy sardoniksa, ny fahenina karneola, ny fahafito krysolita, ny fahavalo beryla, ny fahasivy topaza, ny fahafolo krysopraso, ny faha iraika ambin’ny folo jacinta, ny faha roa ambin’ny folo ametysta.

21Ny vavahady roa ambin’ny folo dia vato soa roa ambin’ny folo; ny tsirairay amin’ireo vavahady dia vita tamin’ny vato soa iray. Ireo lalam-be teo an-tanàna dia volamena tsy misy fangarony, tahaka ny fitaratra mangarahara. 22Tsy nahita tempoly tao amin’ny tanàna aho, satria Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanak’ondry no tempoliny.

23Ny tanàna dia tsy nila masoandro na volana mba hamirapiratra amin’izany satria ny voninahitr’Andriamanitra dia namirapiratra tamin’izany, ary ny Zanak’ondry no jiron’izany. 24Handeha amin’ny fahazavan’izany tanàna izany ireo firenena. Ireo mpanjakan’ny tany dia hitondra ny fahatsaran’izy ireo ho ao amin’izany. (Fanamarihana: Ny antontan-taratasy taloha sasany dia mivaky hoe: “Ireo firenena izay voavonjy dia handeha amin’ny fahazavan’izany tanàna izany.”) 25Tsy hidy ireo vavahadin’izany mandritry ny andro, ary tsy hisy alina any.

26Hitondra ny fahatsarana sy ny hajan’ireo firenena ao amin’izany izy ireo, ary tsy hisy maloto hiditra ao amin’izany mihitsy. Tsy hisy na iza na iza hanao zavatra mahamenatra na mamitaka hiditra ao, fa ireo izay voasoratra anarana ao amin’ny Bokin’ny Zanak‘ondrin’ny fiainana ihany.

27

Copyright information for PltULB